📣 Fampiroboroboana ny sehatr’asa manodidina ny Asatanana malagasy

Notanterahana nanomboka ny 12 hatramin’ny 14 Febroary lasa teo ny hetsika “Mihamy Mada Fashion”, nokarakarain’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, izay nampivoitra ny asatanana malagasy ao anatin’izany ny taovolo sy ny fitafiana mampiavaka ny Malagasy. Sehatr’asa iveloman’ny mpanao asatanana malagasy maro ny taovolo sy ny fitafiana ary azo trandrahina tsara. Isan’ny nandray anjara tamin’ny famelabelaran-kevitra ny 12 Febroary nandritra izany hetsika izany ny MICA tamin’ny alalan’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fampahaizan’asa ny sehatry ny Asatanana sy ny Foibem-pitondrana misahana ny Fandraharahana. Namafisana nandritra izany fa tafiditra ao anatin’ny sehatr’asa miisa 114 ny taovolo sy ny fitafiana ary manana anjara lehibe amin’ny fampandrosoana sy fampivoarana ny asatanana malagasy. Nanentana ireo tanora sy vehivavy hatrany ny solotenan’ny MICA hiroso amin’ny sehatra matihanina sy manara-dalĂ na ho fampiroboroboana ny asatanana izay mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena.

 

Vous aimerez aussi...