📣 Vaovaon’ny faritra : Atsimo Andrefana

Nidina teny anivon’ny tsena teto Toliara (Bazar Sakama, Bazar be, Bazar Sanfily) ny Sampan-draharaham-paritry ny Indostria, ny Varotra ary ny Asa-tanana Atsimo Andrefana izay notarihan’ny Talem-paritra sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky mba hahafahana manara-maso ny vidin’entana. Hita tamin’izany ary fa tsy nahitana fiovany ny vidin’ny entana amin’ireo entana ilaina maika (PPN) toy ny Vary (450Ariary/kapoaka), Lafarina (2110Ariary/kilao), Siramamy (2500Ariary/kilao) ary ny Menaka (5000Ariary/litatra). Taorian’izany dia nisy ihany koa fidinana natao teny amin’ireo mpanafatra entana mba hahafantarana ny tahiry sisa tavela sy izay nafarana. Hatao matetika izao fidinana ifotony izao hiarovana ny mety ho fanararaotana ataon’ny mpandraharaha sasatsasany.

Sary DRICA Atsimo Andrefana

 

Vous aimerez aussi...