📣 Vaovaon’ny faritra : Bongolava
Ho fisorahana ny fiparitahan’ny valan’aretina Coronavirus ary koa ho fanandratana ny asatanana any amin’ny faritra dia nikarakara fihaonana teo amin’ny Ben’ny Tananan’Ankadinondry Sakay sy ny mpanao asatanana miisa telo avy ao an-toerana ny DRICA Bongolava. Ireo mpanao asatanana ireo no hamatsy arotava miisa 20 000 eo ho eo ho an’ny mponina ao amin’ity kaominina ity. Ny Ben’ny Tanana voalaza etsy ambony dia nanolotra arotava miisa 500 izay sangan’asa nozairin’ireto mpanao asatanana ireto ka ho zaraina maimaim-poana izany.