Seha-pihariana Lavanila:Mpikambana 4 ao amin’ny Governemanta no tonga any amin’ny Faritra SAVA androany

Mihaona mivantana amin’ireo mpisehatra momba ny lavanila any amin’ny Faritra SAVA ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana, ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ny Minisitry ny Fitsarana ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria. Hentitra ny Fitondram-panjakanafitra: “Tsy maintsy arahina ny lalàna. Lalàna mijery ny tombontsoan’ny mpamboly”. Nampahafantarina tany an-toerana androany koa ireo mpikambana mandrafitra ny CNV na Filankevi-pirenena momba ny lavanila.

Vous aimerez aussi...