7 Jiona : Andro iraisam-pirenena momba ny Antoka Ara-Pahasalaman’ny Sakafo (JISSA)
Andraikitry ny rehetra ny fisorohana ny aretina mety ho azo avy amin’ny sakafo tsy lavorary
378 hatramin’ny 1500 ny fanapoizinana ara-tsakafo voamarina tato anatin’ny 3 taona teto Madagasikara. Maherin’ny 200 ny karazan’aretina mety ho azo avy amin’ny sakafo tsy lavorary sy tsy ara-pahasalamana. Tarehimarika navoakan’ny CNCA (Comité National Codex Alimentarius) ireo androany nandritra ny lanonam-panokafana ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena momba ny antoka ara-pahasalamana ho an’ny sakafo tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely.
Miainga amin’ny fampiasana akora simika tsy araka ny tokony ho izy, na amin’ny fambolena izany na amin’ny fiompiana, na any amin’ireny indostria mpamokatra entana jifaina amin’ny fiainana andavanandro ireny ny aretina. Ny MICC manokana dia nametraka rafitra, eto anivon’ny minisitera, manara-maso ireny entam-barotra amidy eny an-tsena ireny.
Nitohy tamin’ny fitokanana ny “Green City Initiative”, toerana fivarotana ny vokatry ny tany biolojika eny Antanimena sy ny famelabelarana arahina ady hevitra etsy amin’ny lapan’ny tànana Analakely ny fandaharam-potoana androany.