ADY AMIN’NY KOLIKOLY

Mitohy hatrany ny fanentanana nataon’ny Sampan-draharaha misahana ny ady amin’ny kolikoly ho an’ireo mpiara-miasa eto amin’ny MICA ka ny tao amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny fanandratana ny indostria (DEI) sy ny Foibem-pitondrana misahana ny fotodrafitr’asa sy ny haitao vaovao (DII) indray no nisitraka izany fanentanana izany. Ny hetsika fanentanana izay niompana indrindra tamin’ny fitsipi-pahamendrehana sy ny fenitra toavina eo amin’ny asa aman’andraikitry ny mpiasam-panjakana.

Vous aimerez aussi...