Ady amin’ny kolikoly : Nahazo fanentanana sy fanabeazana avy amin’ny DAILAC ny mpiara-miasa any amin’ny DRICC Menabe

Fanentanana sy fanabeazana ireo mpiara-miasa 17 any amin’ny DRICC Menabe momba ny ady amin’ny kolikoly. Izany no nisantaran’ny Tale misahana ny Fitsirihana anatiny sy ny ady amin’ny kolikoly (DAILAC) Tsimbazafy Yvon Randriamialison eto amin’ny MICC ny fandalovany any Morondava androany 08 Desambra 2022.
Amin’ny maha-mpiasam-panjakana azy dia nampahatsiahivina an’ireo mpiara-miasa ireo ny etika sy fitsipika moraly mifehy ny mpiasam-panjakana. Nampahafantarina koa ireo endrika isehoan’ny kolikoly eny anivon’ny asam-panjakana araka ny voalazan’ny lalàna 2016-020.
Handray anjara amin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena momba ny ady amin’ny kolikoly rahampitso 09 Desambra 2022 any Morondava, misolo tena ny MICC moa ny DAILAC sy ny DRICC Menabe.

Vous aimerez aussi...