AGOA (African Growth and Opportunity Act)

![]()
𝗔𝗚𝗢𝗔 (𝗔𝗳𝗿𝗶𝗰𝗮𝗻 𝗚𝗿𝗼𝘄𝘁𝗵 𝗮𝗻𝘁 𝗢𝗽𝗽𝗼𝗿𝘁𝘂𝗻𝗶𝘁𝘆 𝗔𝗰𝘁)
Na teo aza ny fanohanan’ny Mpanatanteraka sy ny Mpanao lalàna amerikana hanohizana ny fisitrahantsika ny AGOA dia mbola tsy nisy ny fehin-kevitra noraisina momba izany, talohan’ny 30 Septambra 2025 izay voalaza fa hitsaharan’ny AGOA. Izany dia noho ny fitsaharan’ny ampahany amin’ny asan’ny Governemanta federaly amerikana vokatry ny tsy fifanarahana ara-bola tao amin’ny Kongresy.
Iharan’ny hetra ara-dalàna araka ny Fehezan-dalàna momba ny fandintseranana amerikana avokoa ny entana avy amin’iireo firenena misitraka ny AGOA nanomboka ny 1 Oktobra 2025
Tohizana kosa anefa ny fomba fanao anatiny mifandraika amin’ny fanondranana entana, ataon’ireo sampandraharaha eto an-toerana, ho fanomanana ny mety hisian’ny fanohizana ny AGOA sy ny fisitrahana izany manomboka amin’ireo fanondranana natao teo am-piandrasana ny fehin-kevitra, vantany vao voavaha ny olana ara-tetibola.
Mila mivonona hatrany ireo mpandray anjara avy amin’ny Rafi-panjakana mahefa sy ny Sehatra tsy miankina ny amin’ny fanohizana ny fifampidinihana





