AGOA: Hivelatra amin’ny vokatra hafa ankoatra ny seha-pihariana momba ny lamba ny fanondranana ataon’i Madagasikara eo amin’ny tsenam-barotra amerikana sy Afrika Atsimo

Nanomboka androany 24 janoary tetsy amin’ny Novotel Alarobia ary hifarana ny 25 janoary 2023 ny atrikasa fanamafisana traikefa sy fampahafantarana bebe kokoa ny momba ny tsenam-barotra AGOA sy ny fepetra takiana ahafahana misitraka izany tsenam-barotra izany. Ity atrikasa izay karakarain’ny komity ahitana minisitera maromaro miandraikitra ny tsenam-barotra AGOA ity (comité interministériel) toy ny minisitera misahana ny varotra, ny minisitera misahana ny asa, ny minisitera misahana ny toekarena (fadintseranana) ary ny minisitera misahana ny tontolo iainana dia vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny USAID / ATI (Africa Trade and Investment) hifampizaran’ireo teknisianina matihanina avy ao Afrika Atsimo traikefa sy fahalalana ho an’ireo mpisehatra eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina manodidina ny AGOA. Hanomezana fahafaham-po ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo mpisehatra tsy ankanavaka, ny andro voalohany dia natokana ho an’ny minisitera rehetra ao anatin’ny komity miandraikitra ny tsenam-barotra AGOA ary ho an’ireo sehatra tsy miankina kosa ny andro faharoa, ny 25 janoary 2023.

Naroson’ny Tale Jeneraly misahana ny varotra sy ny fanjifana eto anivon’ny MICC sady Filohan’ny komity miandraikitra ny tsenam-barotra AGOA, Isidore Razanakoto, ireo seha-pihariana hafa afaka hisitraka ny fanondranana mankany amin’ny tsenam-barotra amerikana sy Afrika Atsimo toy ny menaka azo avy amin’ny zava-maniry (huiles essentielles), ireo vokatra ara-tsakafo azo avy ao amin’ny zava-maniry (agro-alimentaire), ny asatanana, ny lavanila , ny kafe ary ny jirofo.

« Ho an’ny seha-pihariana lamba manokana dia mitàna ny laharana fahatelo isika eto Madagasikara amin’ny fanondranana mankany amin’ny tsenam-barotra AGOA. Miteraka asa manodidina ny 7000 izany ho an’ny mponina Malagasy. Mikasika ny taham-panondranana indray dia nahitàna fitomboana ny salan’isa ka manodidina ny 65% ireo vokatra nahondrana teo amin’ny tsena amerikanina. »

Zava-dehibe ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena malagasy sy fampiroboroboana ny varotra ivelany ny fampahafantarana bebe kokoa ny fepetra rehetra manodidina ny tsenam-barotra AGOA ary antenaina ny fivelarantsika eo amin’ireo vokatra haondrana mankany amin’ny tsena amerikana sy Afrika Atsimo, hoy hatrany ny Tale Jeneraly Isidore Razanakoto.

Vous aimerez aussi...