Akon’ny fananganan-tsaina: Manentana ny mpiara-miasa hametraka lamina hiatrehana ny ho avy ny Minisitra Edgard Razafindravahy

Ho avy indray ny fahavaratra. Dieny izao dia tsy maintsy mametraka paik’ady ny minisitera mba tsy ho antony hampikorontana ny famatsiana izany araka ny toromariky ny minisitra Edgard Razafindravahy . “Mila apetraka ny tahiry (stock)”, hoy izy androany Alatsinainy 07 Novambra 2022 tamin’ireo mpiara-miasa aminy taorian’ny fananganan-tsaina tetsy Ambohidahy. Sarotsarotra mantsy ny mitantana ny famatsiana noho ny fihotsahan’ny tany sy ny fiakaran’ny rano ka mahatapaka ny lalana amin’ny fotoanan’ny fahavaratra.

Mitohy ihany kosa ny fanaraha-maso isan’andro ny vidin’entana. Tsy eto Antananarivo ihany izany fa any amin’ny faritra samihafa koa. “Nieritreritra ny rehetra fa ho avo roa heny na telo heny ny vidin’entana noho ny krizy eran-tany. Noho ny fahaiza-mitantana anefa dia voafehy izany”, hoy ny Minisitra misahana ny Varotra sy ny Fanjifana.

Momba ny vokatra fanondrana dia naniraka ny mpiara-miasa aminy ato amin’ny minisitera ny Minisitra hijery akaiky ny mikasika ny letisia izay hanomboka ato ho ato ny taom-piotazana mba tsy ho ny mpamokatra no hizaka ny tsy mety. Hatao andrimaso toy izany koa ny momba ny jirofo. “Tsy ho ela fa ny 15 Novambra 2022 izao dia hanomboka koa ny taom-panondranana lavanila. Tokony izany ny ekipa avy aty Antananarivo andeha hanampy an-dry zareo any Sambava, Antalaha sy any an-toeran-kafa”, hoy ihany ny minisitra Edgard Razafindravahy. Rehefa betsaka mantsy ny halatra dia midina ny vidin’ny lavanila ka tsy hisy tombony intsony ho an’ny tantsaha.
Tsy nohadinoin’ny Minisitra moa ny nampita vaovao momba ny fampiroboroboana ny indostria indrindra taorian’iny Fikaonandoham-pirenena momba ny fampiasam-bola teny amin’ny CCI Ivato ny 28 sy 29 Oktobra 2022 iny. Ho tonga tsy ho ela ny sambo mitondra ny ozinina fanaovana siramamy hapetraka any Vatomandry sy Morondava araka ny nambarany.

Vous aimerez aussi...