Akon’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa tany amin’ny Faritra

Tsy latsan-danja tamin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa ihany koa ny teny anivon’ny faritra toy ny tany Bongolava, Betsiboka sy Analanjirofo

👉Bongolava : Nisy fiaraha-miasa teo amin’ny DRICC sy ny Sekoly Teknika tao Tsiroanomandidy ka nananteraka hetsika fanentanana sy fampahafantarana ho an’ny mpianatra ny ekipa tany an-toerana. Dieny ny aty amin’ny sekoly fototra no fanombohana ny fanabeazana mikasika ny fanjifana ara-drariny hoy ny DRICC Bongolava.

👉Betsiboka : Fampahafantarana sy fanentanana momba ireo lalàna velona mifehy ny zon’ny mpanjifa sy ireo fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa misy eto Madagasikara no nanamarihan’ny DRICC ny andron’ny 15 marsa 2022 tao Maevatanana.

👉Analanjirofo: Nidina teny an-tsena tao Fenoarivo Atsinanana ny DRICC nanamarina ireo fitaovam-pandanjana ho fanamafisana ny fiarovana ny mpanjifa. Mizàna miisa 4 sy vato mizàna manodidina ny folo no hita fa tsy manaraka ny fenitra takiana ka nogiazina teo anivon’ny DRICC.

Nisy ihany koa ny fandraisan’ny DRICC anjara tamina fandaharana teo amin’ny haino aman-jery ho fanabeazana sy fampahafantarana mikasika ny Zo sitrahan’ny mpanjifa ary koa ny andraikitry ny mpisehatra ara-barotra rehetra manodidina ny fiarovana ny Mpanjifa izay.

Vous aimerez aussi...