Akon’ny fidinana ifotony nataon’ny kaomisera sy mpanara-maso ara-barotra eto anivon’ny MICC
Manana fahatokisana hahazo vokatra mahomby eo amin’ny fitonian’ny vidin’entana manaraka ny ara-drariny ny minisitera sy ireo mpandraharaha ara-barotra isan-tsokajiny.
Toeram-pivarotana maherin’ny 30 no nanaovan’ireo tompon’andraikitry ny fanaraha-maso ara-barotra fitsirihana nanomboka ny 28 septambra 2021 teny Analakely, Isotry, Andravoahangy, Mahamasina, Soamanantombo, Antohomadinika,67Ha. Nizotra antsakany sy andavany ny fidinana natao ary naneho fahavononana amin’ny fiaraha-miasa ireo mpandraharaha ara-barotra momba ny fihavian’ny entana amidin’izy ireo. Manaiky ny fandaminana tokoa izy ireo hamerenana araka no tokony ho izy ny vidin’entana raha tsikaritra ny fisian’ny fiakarana tsy mazava tsara.
Hidina isan’andro eny an-tsena ireo kaomisera sy mpanara-maso ireo araka ny nambaran’ny Minisitra Edgard Razafindravahy.
Homena ny mponina miandalana ny vokatr’izao fanaraha-maso ny tsena izao.