AMORON’I MANIA: Tsy misy atahorana ny tahiry Vary Tsinjo taorian’ny fandalovan’ny rivodoza hoy ny DRICC

Nandray anjara tamin’ny fivorian’ny CRGRC (Comité Régional de Gestion des Risques et Catastrophes) ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania ny DRICC any an-toerana. Fihaonana izay notarihan’ny Governora sy ny Préfet natao handrefesana ireo takaitra vokatry ny rivo-doza.
Tsy misy hatahorana ny tahiry eo amin’ny entana ilaina andavanandro ary tsy misy ny endrika fanararaotana ara-barotra. Nambaran’ny Talem-paritra (DRICC) Amoron’i Mania fa mbola manana tahiry 29 taonina amin’ny Vary Tsinjo hamatsiana ny mponina ary efa eo am-piandrasana ny fahatongavan’ny andiany manaraka ihany koa izy ireo amin’izao fotoana izao.

Vous aimerez aussi...