Ampitatafika: Mpaninjara vitsivitsy nomena fampitandremana

Ireo mpaninjara eny anivon’ny kaominina Ampitatafika no nidinan’ny avy ao amin’ny DPC omaly Alatsinainy 26 Aprily 2022. Hetsika niarahana tamin’ny ekipan’ny Beny tanàna sy Fikambanan’ny mpanjifa FIMMPAMA . Amin’ny ankapobeny dia nanaja ireo vidy farany ambony napetraky ny fanjakana ireo mpaninjara sy mpamongady nandalovana. Nisy kosa anefa mpaninjara vitsivitsy nomena fampitandremana. Nisy koa ny fisafoana natao teny Soanierana III, Andafiavaratra, Manjakamiadana, Andranonahoatra Itaosy sy Ambohimamory.
Sary DPC

Vous aimerez aussi...