Andro maneran-tany ho an’ny fizakamanana ara-tsaina: natao loa-bary an-dasy tamin’ireo mpandraharaha sy mpamorona ny hala-tahaka sy ny fanenjehana ireo mpandika lalàna

Isan’ny nasaina ireo mpikaroka fandikan-dalàna avy amin’ny Polisy Ekonomika, ny Zandarimariam-pirenena ary ny solontenan’ny Fitsarana nandritra ny fihaonana tamin’ny sehatra tsy miankina sy ny mpamorona tetsy Anosy omaly 26 Aprily 2023. Novelabelarin’izy ireo tamin’ny mpandraharaha sy mpamorona ny mahakasika ny lalàna manasazy ny hala-tahaka sy ny pitsopitsony arahina raha sendra izany ireo nanao firaketana eny amin’ny OMAPI (Ofisy Malagasy misahana ny fizakamanana ara-tsaina). Nisy koa ny fampahatsiahivana ny fisian’ny rafitra matihanina eken’ny lalàna afaka manampy amin’ny dingana fandraketana ny famoronana na fitsarana dia ny mpisolo vava sy “Cabinet juridique” ara-panjakana izany.

Ny tsy ahalany fotoana, ny fangaraharahana no nanaovana izany fizarana izany sy ho fiadiana amin’ny kolikoly.

Anatin’ny tanjona tamin’ny hetsika omaly iny ny fampiraisana ny mpamorona sy ny mpampiasa vola. Maro ireo milofo amin’ny famoronana ka anisan’ny tazana tetsy Anosy ireo mpampianatra mpikaroka sy mpianatra eny amin’ny Politeknika Vontovorona sy olontsotra. Voasolo tena tao koa ireo mpampiasa vola izay nizara ny azo atao ahafahana manatsara ny fifanomezan-tanana. Nankasitrahan’ny andaniny sy ankilany ka hitohy izany dingana fampiraisana izany.

Sary DAJ

Vous aimerez aussi...