Andro maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa
Ny 15 martsa no hankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa. Ho amin’ity taona 2021 ity dia notontosaina tetsy amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria Antananarivo izany fankalazana izany izay niarahan’ny Federasion’ny Fikambanan’ny Mpanjifa sy ny Fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa ary ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana nikarakara. Ho an’ity fankalazana 2021 ity dia nosafidiana ny lohahevitra miompana amin’ny ady atao amin’ny fandotoana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanjifana maharitra na “Luttons contre la pollution pour une consummation durable”. Ny fanimbana ateraky ny tavoahangy plastika no voatsindry manokana nandritra ny fankalazana ary izany indrindra no nahatonga ny fiaraha-miasa amin’ny vondrona Adonis sy ny tetikasa Kopakelatra izay mikirakira ny fanodinana ireo tavoahangy plastika ireo.
Ho an’ny MICA dia miezaka hatrany manatona sy miara-miasa akaiky amin’ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa amin’izay fiarovana ny mpanjifa izay ary vonona hatrany hiara-hietana ho an’ny tombotsoan’ny mpanjifa izay marihana fa asa andavan’andron’ny minisitera, hoy ny Tale Jeneraly misahana ny Varotra.