Andron’ny fampiroboroboana ny indostria aty afrika (JIA): Antoka amin’ny fananganana indostria manerana an’i Madagasikara ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana sy ny Sehatra tsy miankina.

“Tsy misy ny Indostria raha tsy misy ny angovo. Mazava izany. Ao ambanin’ny tany misy antsika ity ny vahaolana. Mila angovo maharitra isika, tsy lafo. Mila trandrahana ny akora fototra amin’ny harena ankibon’ny tany sy akoranafo mba hahaleo tena amin’ny angovo ny Indostria”. Nazava ny tenin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy raha nanokatra ny hetsika fanamarihana ny JIA (Andron’ny Fampiroboroboana ny Indostria aty Afrika) tetsy amin’ny Novotel Alarobia izy androany Talata 06 Desambra 2022.
Tsy angovo ihany anefa no azo avy amin’ny harena ankibon’ny tany fa eo koa ny simenitra, hanamboarana fotodrafitrasa. “Raha mamokatra simenitra eto an-toerana isika dia afaka hanondrana satria hihoatra ny filàna ny vokatra”, hoy ihany ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC) nanoloana ny mpanatrika izay nahitana mpikambana ao amin’ny Governemanta, diplomaty ary tompon’andraikitra avy amin’ny Sehatra tsy miankina.
Notsindrian’ny Minisitra fa vahaolana amin’ny fizakan-tena ara-tsakafo ny fanodinana ny vokatry ny fambolena. Raha ny siramamy no resahana dia misy tetikasa lehibe roa any Vatomandry sy Morondava hamokatra siramamy 129.000T tsy ampy ankehitriny. Momba ny lafarinina moa dia efa nitombo ny famokarana tato anatin’ny taona vitsivitsy.
Nampiomana moa ny minisitra miasahana ny Fampiroboroboana ny Indostria androany fa efa ho avy eto Madagasikara ny fitaovana ahafahana mametraka milina fanodinana 75. Iantsoana sy angatahana fiarahamiasa amin’ny sehatra tsy miankina avokoa izany. Iantsoana ny mpampiasa vola eto an-toerana sy ny avy any ivelany. “Tsy ho tanteraka ny revolisiona indostrialy raha tsy miaraka mandresy ny Fanjakana sy ny Sehatra tsy miankina”.
Tanjona napetraka ny ODOF. Ny Taninketsa Indostrialy no ifantohana eny ifotony. Efa misy ny orinasa salantsalany mamokatra siramamy any amin’ny faritra Boeny sy Anosy; fanamboarana menaka any amin’ny faritra Amoron’i Mania, fanodinana mangahazo any Ambohimahasoa. #Velirano 7 nataon’ny Filoham-pirenena ny hanodinana ny akora rehetra eto an-toerana.
Atrikasa fifampizarana sy fanentanana momba ny fampiroboroboana ny indostria ary ny fanatanterahana ny fehin-kevitra momba ny Taona folo faha-3 mikasika ny fampandrosoana ara-indostria aty Afrika no nanamarihana ny JIA androany. Hetsika iarahan’ny MICC manatontosa amin’ny ONUDI (Rafitry ny Firenena Mikambana ho fampandrosoana ny indostria).

Vous aimerez aussi...