Ankatoky ny “FESTIVAL JERIJERY”: Tratra tao amin’ireo mpivarotra any Vavatenina ny entana lany daty 500 kilao
Nanao fitsirihana teny an-tsena sy magazay ao Vavatenina ny avy amin’ny DRICC Analanjirofo tamin’iny herinandro lasa iny ho fiomanana amin’ny fiatrehana ny “Festival Jerijery”. Vokany dia entana lany daty sivy gony, milanja 500 kilao any ho any no sarona. Ahitana zava-pisotro misy gazy, bisikoitra kely isan-karazany, kosin-jazakely, ronono mandry mamy, voatabia am-bifotsy sy entana hafa koa izy ireo.
Nesorina teny an-tsena avokoa ireo entana ireo eo am-piandrasana ny fotoana anatanterahana ny fanapotehana azy. Nampahatsiaivana sy nampianarina ireo mpivarotra koa ireo lalàna mifehy ny asany.
Ho an’ny eto Antananarivo dia ny teny Anosipatrana no nidinan’ny mpanara-maso ny tsena avy amin’ny DPC ny Alarobia 09 Novambra 2022. Nentanina hatrany ny mpivarotra mba hametraka ny vidin’entana mba hisian’ny mangarahara amin’ny fifaninanana sy ho fitsinjovana ny mpanjifa.
Sary DRICC