Antananarivo sy ny manodidina: manana safidy ny mpanjifa amin’ireo karazam-bary eny an-tsena

Ahitana vary isan-karazany amin’ny vidiny ara-drariny eny an-tsena amin’izao fotoana izao. Ny vary gasy semance, ohatra, dia 2400 Ar ka hatramin’ny 2800 Ar ny iray kilao. Afaka misafidy, araka izany, ny mpanjifa na eo aza ny fahasamihafan’ny vidim-bary.
Hita tamin’ny fidinana ifotony nataon’ny ekipan’ny DPC nijery ny fivoaran’ny vidim-bary tamin’ity herinandro ity teny amin’ny tsenan’Anosizato, Ivandry, Analakely ary Ankadindratombo mantsy fa nisy fiakarany kely ny vidin’ny vary nafarana nohon’ny fihenan’ny vary nafarana avy any ivelany ary nohon’ny fiakaran’ny vidim-bary eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Sary DPC

Vous aimerez aussi...