Antananarivo sy ny manodidina: Mitohy ny fanaterana Vary Tsinjo sy siramamy Namakia eny amin’ny mpaninjara, marin-toerana ny vidin’ny PPN.

Vary Tsinjo 65 taonina no naterina teny amin’ireo mpivarotra teto Antananarivo sy ny manodidina ny Alatsinainy 13 sy Talata 14 Marsa 2023.

3,65 taonina kosa ny siramamy Namakia. Nahazo izany Vary Tsinjo izany moa ny mpaninjara 140 any anivon’ny fokontany 41, niampy 139 any amin’ny fokontany 39 ny ampitso. Ho an’ny siramamy kosa dia mpivarotra mpanao atsinjarany 36 any amin’ny fokontany 20 no nisitraka izany ny Alatsinainy raha 37 any anatin’ny fokontany 19 kosa izany ny Talata.

Tamin’ny fidinana nataony teny amin’ny fokontany Ampasampito, Ankadindramamy sy Mahazo izay samy ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto amin’ny renivohitra dia nanamarika ny ekipan’ny DRICC Analamanga fa ara-drariny sy marin-toerana ny vidin’ireo PPN eny amin’ny tsena.

Raha ny vidin’ny vary makalioka manokana izay misy mahatratra hatramin’ny 3500Ar/kg izao dia alaina 3850Ar/kg eny amin’ny mpamongady izy ireny. Izany hoe 100Ar/kg no tombony alain’ny mpivarotra ialan’ny saran-dalana. Ara-drariny araka izany ny tombony alain’ireo mpanjinjara.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...