Antenimieran’ny Varotra sy Indostria

Napetraka amin’ny toerany ireo mpikambana maharitra vaovao 28 ao amin’ny CCI Tolagnaro
Ny Alakamisy 14 Desambra 2023 no nanao ny fianianany ireo mpandraharaha voafidy ho mpikambana maharitra ao amin’ny CCI Tolagnaro ireo. Lanonana natrehin’ireo olo-manan-kaja any an-toerana izay notarihin’ny Governoran’ny Faritra Anosy.
Nitondra hafatra manokana avy amin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny Talen’ny Fiaraha-miasa sy ny Tetikasa (DPP) dia ny haha-Antenimieran’ny fampandrosoana tokoa ny CCI ka hitondra vokatsoa ho an’ny vahoaka.
Ny Talem-paritra (DRICC) Anosy moa dia nanamafy ny maha-zava-dehibe ny CCI amin’ny fampandrosoana ara-toekarena ny faritra misy an’ireo mpikambana maharitra vao napetraka amin’ny toerany ireo mandritra ny fe-potoana iasan’izy ireo.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...