Antenimieran’ny Varotra Sy Indostria: Avy amin’ny TSARA VOKATRA avokoa ireo mpikambana maharitra miisa 21 eo anivon’ny CCI Faritra Analanjirofo.

Fikambana tokana ihany no nandrotsaka lisitra kandida tamin’ny fifidianana izay ho mpikambana maharitra ao amin’ny CCI Fenoarivo Atsinanana. Lasan’ny TSARA VOKATRA avokoa, araka izany, ny toerana 11 ho an’ny mpandraharaha ao amin’ny kolejy Varotra, 03 ho an’ny kolejy Indostria ary 07 natokana ho an’ny kolejy Servisy.

Nahatratra 63% ny taha-pahavitrihana tamin’ny fifidianana notontosaina ny faran’ny herinandro teo. Tsy nisy ny vato maty na tsy manankery.

Ny 27 Desambra 2022 izao no hatao ny fivoriam-be hametrahana amin’ny toerany ireo mpikambana maharitra. Amin’izany koa no ivoahan’ny anaran’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny manomboka amin’ny filoha ka hatramin’ireo kaomisiona.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...