Antenimieran’ny varotra sy indostria (CCI): Ifampizaran’ny FIVMPAMA sy ny ATRABO ny toerana ho an’ny mpikambana maharitra ao amin’ny CCI Faritra Bongolava

FIVMPAMA (Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy): Toerana 11, ATRABO (Fikambanan’ireo mpitatitra any amin’ny Faritra Bongolava): Toerana 9. Izay no vokatry ny fifidianana izay ho mpikambana maharitra miisa 20 ao amin’ny CCI Faritra Bongolava.
Tontosa ny Alarobia 30 Novambra 2022 teo ny fifidianana tany amin’ireo birao fandatsaham-bato telo dia ny tao Mahasolo, Ankadinondry ary Tsiroanomandidy.
Hamory ireo mpikambana tompon-toerana vao voafidy ireo ny Komity manokana mpikarakara ny fifidianana ny Talata 20 Desambra 2022 hifidianana indray ny birao hitantana sy ny ho Filohan’ny CCI Bongolava.
Ho an’ny any amin’ny Faritra Androy dia hifarana anio ny fandraisana ny atontan-taratasy ho an’ ireo izay maniry ny hirotsaka ho fidiana. Rahampitso Asabotsy kosa no hivoaka amin’ny fomba ofisialy ny lisitra ka hanomboka ny fampielezan-kevitra ho an’ireo izay mahafeno fepetra voakasika amin’izany.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...