Antenimieran’ny Varotra Sy Indostria (CCI): Lany ho filohan’ny CCI Faritra Atsimo Atsinanana RAZAFITIANAMALALA Murielle raha MANJARIMANANA Urbain kosa no ho an’ny CCI Faritra Ihorombe

Tontosa omaly 28 Desambra 2022 tany Farafangana ny fametrahana ireo mpikambana ao amin’ny birao hitantana ny CCI Faritra Atsimo Atsinanana. RAZAFITIANAMALALA Murielle no lany ho filoha.

Ho an’ny CCI Faritra Ihorombe kosa dia hitarika ny birao ahitana mpikambana 7 MANJARIMANANA Urbain. Notanterahana ny 27 Desambra 2022 tany Ihosy ny fivoriam-be nametrahana azy ireo amin’ny toerany.

Lanonana notronin’ireo tompon’andraiki-panjakana any an-toerana.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...