Antenimieran’ny varotra sy indostria: Ireo kandida avy amin’ny lisitra AOZA no lany ho mpikambana maharitra ao amin’ny CCI Faritra Atsimo Atsinanana
Tanteraka ny 15 Novambra 2022 ny fombafombam-pifidianana haha-mpikambana maharitra ao amin’ny CCI Farafangana ireo kandida avy amin’ny A.O.Z.A (Association des Opérateurs Zanaray Agnambahy). Lisitra tokana moa no nahafeno fepetra hifaninanana amin’ny fifidianana. Biraom-pifidianana roa kosa no nanaovana ny latsa-bato dia ny tao Farafangana sy ny tany Vangaindrano. Tonga nifidy ny mpifidy 71 amin’ny 153 voasoratra anaty lisi-pifidianana tao Farafangana raha 08 amin’ny 44 kosa izany tao Vangaindrano.
Ho an’ny Faritra Ihorombe kosa dia nifarana ny Sabotsy 12 Novambra 2022 ny fe-potoana nandraisana ny atontan-taratasy ho an’ireo izay hilatsaka ho fidiana. Ny Fikambanan’ny Mpandraharaha any Ihorombe (FMI) no vondrona tokana nametraka izany. Ho tontosaina ny Zoma 9 Desambra 2022 ny fifidianana any Ihorombe.
Sary DRICC