Antenimieran’ny varotra sy indostria: Maro an’isa amin’ireo mpikambana maharitra 30 ao amin’ny CCI Toamasina ny GEPTOA sy ny GOEPT.

14 avy amin’ny GEPTOA, 13 avy amin’ny GOEPT. Toerana iray no naha-maro an’isa ny mpikambana maharitra GEPTOA ao amin’ny CCI Toamasina nanoloana ny avy amin’ny GOEPT. Nahatafiditra olona 2 kosa ny GEPAT raha 1 ihany ny avy amin’ny APCTLT.

Notanterahina ny Alarobia 14 Desambra 2022 ny fifidianana tany amin’ny Faritra Atsinanana. Nisokatra ho an’ireo mpandraharaha 653 ny birao fandatsaham-bato 4 tao Toamasina I, Vatomandry, Brickaville ary Mahanoro. Lisitra kandida avy amin’ny vondrona 4 no nifaninana. Novakiana ampahibemaso ny Zoma 16 Desambra 2022 tao amin’ny CCI ao Ampasimazava Toamasina ny voka-pifidianana.

Sary DRICC

 

Vous aimerez aussi...