Antenimieran’ny varotra sy indostria:Miroso ny fanomanana ny fifidianana izay ho mpitantana ny CCI

👉MATSIATRA AMBONY: Ny 29 Oktobra 2022 no ho tanterahina any amin’ireo distrika 7 anatin’ny Faritra ny fifidianana. Nisokatra ny 20 Jolay 2022 lasa teo ny fanoratana ny lisi-pifidianana ka tsy hifarana izany raha tsy ny 20 Aogositra 2022. Nanambara izany ny filohan’ny Komity manokana mpikarakara ny fifidianana Rufin Zafimihary.
👉BONGOLAVA: Namory ireo mpandraharaha ny komity manokana mpikarakara ny fifidianana notarihin’ny filohany Liva Andrianantenaina. Tao amin’ny kaominina Tsiroanomandidy renivohitra sy Tsiroanomandidy Fihaonana no nanatontosana izany ny 18 Jolay 2022 raha ny 21 Jolay 2022 kosa no anjaran’ny kaominina Bevato sy Ambararatabe. Nazavaina tamin’izany ny momba ny tetiandrom-pifidianana.
👉ANALAMANGA: Ny 3 Septambra 2022 ireo mpandraharaha mpikambana no hirohotra hamonjy ny birao fandatsaham-bato. Amin’ity herinandro ity kosa no fara-fandraisana ny antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...