ANTSIRABE nampitandremina ireo mpanao cash point

Nampitandremina ireo mpanao cash point tsy haka sarany ambony noho izay tokony ho izy
Misy amin’ireo cash point ao Antsirabe no maka sarany ambony 100 ariary amin’ny fividianana fahana sy mampandoa vola amboniny amin’ny mpanjifa. Noho izany indrindra no antony nampifanatrehan’ny DRICC Vakinankaratra ny tompon’andraikitra avy amin’ireo orinasam-pifandraisana (Telma, Orange, Airtel) sy ireo mpisehatra amin’ny cash point ny Alarobia 05 Oktobra 2022.
Nazavaina tamin’ny cash point ireo andraikitra nekeny ka tsy tokony hakany sarany ambony amin’ny mpanjifa. Efa nisy ny fanentanana natao tamin’ireo cash point sy fanatonana ireo orinasam-pifandraisana talohan’ny fampihaonana ny roa tonta.

Vous aimerez aussi...