Asaramanitry Ny Taom-Baovao: Niarahaba ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny EDBM, SIRAMA ary ny Andiany Volamahitsy nivoaka tao amin’ny ENAM

Delegasiona avy amin’ny EDBM, SIRAMA ary ny Andiany Volamahitsy nivoaka tao amin’ny ENAM. Nanao tohivakana niarahaba ny Minisitra Edgard Razafindravahy izy ireo androany 05 Janoary 2023 noho ny nahatrarana ny taona vaovao 2023.

Fotoana izay nanindrian’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC) fa ny fanohizana ny asa no laharam-pahamehana. “Zava-dehibe ny fananana paik’ady mahomby mba hanatrarana ny tanjona napetraka”, hoy ny Minisitra raha nandray azy ireo tao amin’ny birao fiasany etsy Ambohidahy.

Tanjon’ny MICC sy ny EDBM ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana, fanamorana ny fampiasam-bola eto Madagasikara ary ny fananganana indostria any amin’ny faritra amin’ny alalan’ny Taninketsa Indostrialy.

Ho an’ny SIRAMA, anatin’ny fikatsahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, dia kendrena ny fampitomboana ny vokatra siramamy mba hampidinana ny fanafarana avy any ivelany. Anisan’ny laharam-pahamehan’ny Fanjakana koa ny fananganana indostria mpanodina fary ho siramamy.

Nanome toky moa ireo ao anatin’ny Andiany Volamahitsy nivoaka teny amin’ny ENAM, izay ny Minisitra Edgard Razafindravahy no mpiahy azy, fa ho modely halain-tahaka izy ireo amin’ny kalitaon’ny asany sy ny fahombiazany

Vous aimerez aussi...