Asatanana
Ny asatanana izay sehatra manana anjara andraikitra lehibe amin’ny fampandrosoana ny toekarena malagasy dia ahitana seha-pihariana miisa 14 manana ny maha izy azy avy.
Ho an’ny MICA, fanamby lehibe ara-toekarena sy ara-tsosialy ary eo anivon’ny fampivoarana ny maha-olona ny asatanana amin’ny alalan’ny fananana asa mendrika izay isan’ireo Velirano napetraky ny Filoham-pirenena Malagasy. Araka ny lalàna laharana 054-2015 mifehy ny famaritana ny asatanana, ny seha-pihariana izay voafaritry ny akora volavolaina dia rafitra iray ahafahan’ny mpanao asatanana maneho ny heviny sy ny aingam-panahiny ary ny fomba fijeriny tontolo iray amin’ny fomba malalaka.
Indro hampahafantarina anao ireo seha-pihariana miisa 14 ao anatin’ny sehatry ny asatanana.