Asatanana

Isan’ny andraikitra eo anivon’ny Foibem-pitondrana misahana ny fampandrosoana ny Sampam-pamokarana (DPA) ny fanomezana fiofanana sy ny fanamafisana ny fahefa-manao ho an’ireo mpanao asatanana. Araka izany dia nisy ny fiofanana nokarakarainy ho an’ireo mpanao asatanana tao amin’ny kaominina Ankaraobato ny Zoma 18 Septambra lasa teo. Niroso tamin’ny fizarana ny karatry ny mpanao asatanana ihany koa ho an’ireo nisitraka ny fiofanana mba hidiran’izy ireo bebe kokoa eo amin’ny sehatry ny matihanina.

Vous aimerez aussi...