Ateliers vanille tany Sambava

𝗛𝗮𝘁𝘀𝗮𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗞𝗼𝗺𝗶𝘁𝘆 𝘁𝗲𝗸𝗻𝗶𝗸𝗮 𝗵𝗮𝗻𝗱𝗶𝗻𝗶𝗸𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗮𝗻𝘁𝘀𝗶𝗽𝗶𝗿𝗶𝗵𝗮𝗻𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘁𝗼𝗹𝗼-𝗸𝗲𝘃𝗶𝘁𝗿𝗮 𝘃𝗼𝗮𝗿𝗮𝘆 𝗮𝘃𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗮𝗺𝗯𝗼𝗹𝘆 𝗹𝗮𝘃𝗮𝗻𝗶𝗹𝗮, 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗮𝗻𝗴𝗼𝗺-𝗯𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮 𝘀𝘆 𝗺𝗽𝗮𝗵𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗹𝗮𝘃𝗮𝗻𝗶𝗹𝗮 𝗮𝗿𝘆 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗼𝗻𝗱𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗹𝗮𝘃𝗮𝗻𝗶𝗹𝗮, 𝗵𝗮𝗻𝗮𝘃𝗮𝗼𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘀𝗲𝗵𝗮-𝗽𝗶𝗵𝗮𝗿𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗹𝗮𝘃𝗮𝗻𝗶𝗹𝗮
– Amin’ny fomba manahoana no ifehezana ny vidin’ny lavanila ho tombontsoan’ny mpisehatra sy ny firenena malagasy ?
– Inona ny rafitra hitantanana ny Seha-pihariana lavanila ?
Anisan’ireo teboka niadian-kevitra tao amin’ny Le Capricorne Sambava ireo nandritra ny Atrikasa nandritra ny roa andro nitadiavam-bahaolana ho an’ny Seha-pihariana lavanila. Ho aroso manoloana ny Komity teknika hahitana teknisiana avy amin’ny Minisitera samihafa voakasika ireo tolo-kevitra sy vahaolana voaangona avy amin’ny mpisehatra.
« Misy ny azo tanterahana avy hatrany toy ny fanitarana hatramin’ny faran’ny volana Desambra ny fandraisana ireo fangatahana fahazoan-dalana hanondrana (Agrément d’exportation) lavanila. Ho ezahana koa ny famoahana isaky ny tapa-bolana ny lisitr’ireo mpandraharaha nahazo izany », hoy ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MCC) Haingotiana ANDRIAMADISON taorian’ny dinika.
Nitarika ny iraka avy amin’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara tany Sambava moa ny Mpanolo-tsaina avo, ny Kolonely Gervais ANDRIAMIARISOA . Nambarany fa heno daholo ny fitarainana be dia be avy amin’ireo mpisehatra lavanila. Ny politikan’ny Fanjakana dia ny hijery ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy manontolo ary mampiasa ny mpiasam-panjakana hanomezana izany tombontsoa izany sy hampandrosoana ny firenena.




