Atrikasa fanomanana ny fivorian’ny Codex
Ho fanamafisana ny fandaharan’asa Codex eto Madagasikara dia hisy atrikasa fampiofanana momba ny fanomanana sy fandraisana anjara amin’ny fivoriana eo anivon’ny Codex izay tanterahina ny 24 hatramin’ny 27 Febroary ho avy izao ao amin’ny Colbert Antaninarenina. Mandritra ireo 4 andro misesy ireo dia hisy ny fifanakalozan-dresaka momba ny zava-misy eto Madagasikara, ny asa isaky ny vondrona sy ny famintinana samy hafa.
Ny tanjona sy ny vokatra handrasana amin’ity atrikasa ity dia ny: fampahafantarana ireo mpikambana vaovao mikasika ny Komity Nasionaly Codex Alimentarius (CNCA) ary fampahatsiahivana indray ho an’ireo mpikambana taloha momba ny fehezan-dalàn’ny Codex, ny rafitra ary ny asa sahaniny; fanavaozana ny famakafakana ny tontolon-kevitra manokana ho an’i Madagasikara momba ny famaritana ny laharam-pahamehana nasionaly; fanomanana fomba fiasa nasionaly tokony harovana amin’ny fivoriana homanina ny taona 2020; ary famaritana ny fomba fiasa ho amin’ny fampandehanan-draharahan’ny CNCA.