Atrikasam-piofanana ANMCC

Hametrahana ny fifaninanana mangarahara eto amin’ny tsena anatiny dia ilaina ny fiarovana ny varotra amin’ny alalan’ny fepetra fanitsiana. Noho izany, nisy ny atrikasam-piofanana ho fanamafisam-pahaiza-manao momba ireo fepetra fanitsiana ara-barotra sy ireo fifampiraharahana iraisam-pirenena ara-barotra natokana ho an’ny sehatra tsy miankina sy ho an’ny fanjakana izay tontosaina ao amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria (CCI) ny 14 sy 15 novambra 2019 izao, izay karakarain’ny Rafim-pahefana Nasionaly misahana ny fepetra fanitsiana ara-barotra (ANMCC). Amin’ny alalan’io fiofanana io no hamehezan’ireo mpandray anjara ireo ny fepetra fanasaziana ara-barotra azo ampiharina eto amin’ny tsena anatiny. Ho an’ny MICA, ny famaritana ireo tombontsoa, ireo mahaliana ary indrindra ireo sakana amin’ny fampiharana ireo fepetra fanasaziana ireo no tanjona mba hisian’ny fahazoana mitovy eo amin’ny mpiasam-panjakana sy ny sehatra tsy miankina. Nandritra ny fanokafana ofisialy ny atrikasa, Ramatoa Lantosoa RAKOTOMALALA, Minisitry ny Indostria, ny Varotra sy ny Asa tanana, dia nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fandraisana anjara mavitrika ireo mpisitraka ny fihofanana hisian’ny fifaninana tsara eo amin’ny tsena.

Vous aimerez aussi...