Boeny: Nahavita sambo manara-penitra ny Kaoperativa NY MIHANTRA

Notanterahana ny 30 Septambra 2022 lasa teo ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny sambo narafitry Kaoperativa NY MIHANTRA. Vita tamin’ny “fibre de verre”, mirefy 9 metatra ary mahazaka hatramin’ny 2 taonina io sambo io. Misehatra amin’ny fanamboarana salotr’aina sy ny asa rehetra momba ny jono kosa ny kaoperativa nanao azy.
Niarahana niasa tamin’ny Foibe fanofanana momba ny rafitra an-dranomasina ao Mahajanga ary notohanan’ny Tahiry malagasy momba ny fanofanana araka asa ny fanamboarana ny sambo. Ireo mpianatra nanatanteraka fiofanana tamin’ny fanamboarana izany kosa dia notolorana fanamarinana daholo izy 22.
Ho fampiroboroboana ny kaoperativa dia nandray andraikitra teo amim’ny fanohanana ara-kevitra sy famolavolana ny tetikasa ny avy aminny DRICC Boeny. Io sambo io moa no vokatra voalohany vitan’ny kaoperativa.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...