Bongolava: Tsy mitsahatra ny midina ny vidim-bary ao an-toerana noho ny fiakaran’ny vary aloha eny an-tsena.

👉Manodidina ny 650 ka hatramin’ny 700ar ny vidin’ny kapoaka ny vary any amin’ny faritra ho tombontsoan’ny mponina.

👉 Fanatsarana ny kalitaon’ny voka-bary : Notanterahina tao amin’ny Distrikan’i Tsiroanomandidy ny fampisehoana ny Valan-tahaka Tanimbary nampiasàna ny zezika « Sulfate d’ammonium » niarahana tamin’ny tetikasa Sustain Africa sy ny IRM, ny orinasa Madasul sy Ambia ny 28 Marsa lasa teo. Ireo kaoperativa no isan’ny hisitraka tohana manokana satria hahazo valan-tahaka maimaim-poana sy masomboly ary fampiofanana izy ireo. Marihana hatrany fa entina hanatsarana ny seha-pihariana eo amin’ny vary izao tetikasa izao. Mora dia mora ny mason-karena ary ho ambany araka izany ny vidin’ny vary vokatra avy amin’ity zezika ity satria 2000ar ny kilaon’izany raha toa ka 6500ar kosa ny zezika hafa.

Miezaka hatrany ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana mifandray amin’ireo tetikasa sy mpampiasa vola isan-karazany ho fampandrosoana ny ara-toekarena sy ny ara-tsosialy eny anivon’ny faritra.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...