Business forum regionaux andiany faharoa (BFR2): hamoraina ny fandalovan’ireo entana ao amin’ny Seranantsambo

Momba ny fanamorana ny fandalovan’ireo entana ao amin’ny Seranantsambo (“Fluidification du passage portuaire”) no nandraisan’ny Tale jeneralin’ny Varotra sy ny Fanjifana, Isidore Razanakoto anjara tamin’ny BFR2 ny tolakandron’ny 7 Aprily 2023. Nomeny tamin’izany ireo andinindininy mahakasika ny ivon-toeran-tserasera ahafahana manao fanairana raha misy ireo sakantsakana ara-barotra miseho.

Fifanakalozan-kevitra teo amin’ny Sehatra tsy miankina sy ny Rafi-panjakana (DPP) no natao. Izany moa dia ho fanohizana izay efa notanterahana teto Antananarivo ny 30 Martsa 2023 ka ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana no filohan’ny “comité de pilotage”.

Anisan’ny nanamarika ity BFR2 ity ny fitsidihana ny fanitarana ny Seranantsambon’i Toamasina, ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny STOI sy ny Faritra Analanjirofo momba ny tetik’asa fambolena katsaka ary ny fanomezan’ny EDBM, MINAE sy MICC toky fa hisy ny tantsoroka amin’ity fifanaraham-piaraha-miasa ity.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...