DRICC Analamanga-FORMAPROD: Nankatoavina ny fifanaraham-piaraha-miasa teknika hananganana ny tsenan-detisia ambongadiny eto Antananarivo.

Taorian’ny fiofanana nataon’ireo kaomiseran’ny varotra sy ny fanjifana teo anivon’ny DRICC Analamanga ny 28 Oktobra 2022 dia mitohy ihany ny fiomanana amin’ny fananganana ny tsenan-detisia ambongadiny. Tontosa omaly 08 novambra 2022 tetsy Ampandrianomby ny fankatoavana ny fifanaraham-piaraha-miasa teknika hanatanterahana izany teo amin’ny DRICC Analamanga sy ny FORMAPROD. Hisitraka ny fiofanana manaraka kosa ireo tompon’andraikitra kaominaly hiatrehana izany tsena ambogadiny izany.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...