Entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN): naparitaka eny amin’ny mpivarotra eto Antananarivo sy ny manodidina ny siramamy amin’ny vidiny 3800 Ar ny kilao

Ankoatra ny Vary Tsinjo amidy 650 Ar/kg dia efa azo jifaina eny amin’ny mpivarotra enta-madinika koa ankehitriny ny siramamy amin’ny vidiny 3800 Ar ny kilao. Ho fitsinjovana ny mpanjifa hatrany moa no anaovana izany izay fiaraha-miasa eo amin’ny MICC sy ny SPM.

Ny Sabotsy 21 Janoary 2023 lasa dia nisy ny fanelezana sy fitsinjarana izany teto Antananarivo sy ny manodidina ka anisan’izany ny teny amin’ny tsenan’Isotry, Mahamasina, Namontana, Pavillon 102 Analakely, 67ha, Mahazo, Ambohimangakely, Ambohimanarina, Ambohidratrimo, Alakamisy Fenoarivo ary Itaosy.

Sary DCI

Vous aimerez aussi...