Faha-5 taonan’ny APEESPA: efa misy ny fiovana toe-tsaina lehibe satria entanina ny tanora handraharaha fa tsy hitady asa fotsiny ihany. 

Dimy taona ny Fikambanana ho amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana eo anivon’ny Toeram-pampianarana ambony momba ny politeknika (APEESPA) eny Vontovorona. Fikambanana ivondronan’ireo tanora mpianatry ny ESPA sady mbola mamita fianarana na efa mandraharaha. Nisolo tena ny Minisitra Edgard Razafindravahy nandritra ny fankalazana ny Sabotsy 20 Mey 2023 lasa teo ny Tale jeneralin’ny Fampiroboroboana ny Indostria (DGI) eto amin’ny MICC, Gaëtan Ramindo.

Tamin’izany no nampitany hafatra tamin’ireo tanora mba tsy hatahotra mampiasa vola, manangana orinasa ary mahaleo tena. Nambarany fa ankehitriny dia efa misy ny fiovana toe-tsaina lehibe satria entanina ny tanora handraharaha fa tsy hitady asa fotsiny ihany. “Mifototra amin’ny fandraharahana, hoy ihany izy, ny fampandrosoana ny firenena. Ny Fanjakana dia manatsara sy manamora ireo fahazoan-dalana samihafa ilain’ny mpandraharaha. Ankehitriny dia eo am-piandrasana ny fandaniana ny lalàna vaovao momba ny fampiasam-bola eto Madagasikara eny amin’ny Antenimieram-pirenena isika. Ho an’ny injeniera dia zava-dehibe ireto 3 manaraka ireto: ny hery, ny hafainganam-pandeha, ny fahafantarana ny lalàna izorana ary ity farany no antoky ny fahombiazana”.

Nisy ihany koa nandritra io fotoana io ny fizarana fohy nataon’ireo tanora mpandraharaha, tompon’andraikitra amin’ny orinasa ary ny avy ao amin’ny ONUDI.

Sary DPE

Vous aimerez aussi...