Fahefana mpanao lalana: Nisokatra androany ny fivoriana ara-potoanan’ireo parlemantera
Toy ireo lehiben’Andrim-panjakana sy rafitra araka ny Lalam-panorenana na ny solontenany dia tonga nanatrika ny lanonam-panokafana ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoan’ireo Antenimiera koa ny mpikambana ao amin’ny Governemanta notarihin’ny Praiminisitra androany Talata 18 Oktobra 2022. Nampahatsiahy an’ireo solombavambahoaka ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa mba ho filamatra amin’ny fanajana ny Lalàna ary tsy hijabaka amin’ny asan’ny fahefana mpanatanteraka na ny fitsarana. « Ny fifampijabahana fahefana no manaratsy endrika ny fitondrana iray manontolo, hoy izy androany teny Tsimbazaza, ka aoka ho hajaina ny fitsipiky ny fisaraham-pahefana ».