Famatsiana anatin’ny vanim-potoanan’ny maitso ahitra: Nifamarafara ny MICC sy ireo mpandraharaha mpanafatra entana sy mpamongady eto Analamanga
Namaly ny fiantsoan’ny DPC, DCI ary ny DRICC eto anivon’ny MICC omaly Alakamisy 1 Desambra 2022 ireo mpanafatra entana sy mpamongady ato amin’ny Faritra Analamanga ka nifanatrehana ny momba ny famatsiana ny mponina mandritra izao fotoam-pahavaratra izao.
Nampahatsiahivina an’ireo mpandraharaha ireo fa efa ankatoky ny fetin’ny krismasy sy taom-baovao tanteraka isika izao. Araka izany dia nentanina izy ireo mba hitsinjo mandrakariva ny mpanjifa ka tsy hanararaotra amin’ny vidin’ny entana, hanara-maso hatrany ny kalitaon’ny entana amidy mba tsy hisian’ny entana lany daty eny an-tsena. Nentanina manokana ihany koa ireo mpanafatra entana mba hitsinjo sahady ny fiavian’ny rivodoza ka hanafatra mialoha ireo entana ilaina mandritra izany fotoana izany sy hitahiry izany mba tsy hisian’ny fahatapahan’ny famatsiana.
Vonona ary nampanantena ireo mpandraharaha ireo fa hijery sy hitsinjo ny mponina mandritra ny fety ary hiomana sahady amin’ny fihatrehana ny vanim-potoanan’ny rivodoza. Nanamafy moa izy ireo fa tsy misy atahorana ny resaka famatsiana mandritra ny fetin’ny faran’ny taona.
Sary DRICC Analamanga