Famatsiana Anatin’ny Vanim-Potoanan’ny Maitso Ahitra

Efa misy midina ny vidin’ny vary na dia mbola samihafa aza izany manerana ny Nosy, arakaraka ny karazam-bary sy ny masonkarenany.
Manamafy ny fanaraha-maso ny vidin’entana, anatin’izany ny vary, sy ny dingana lalovany mialoha ny hahatongavany eny amin’ny mpanjifa ny MIC, araka ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny Varotra (DGC) Isidore Razanakoto. Miainga amin’ny vidy ividianana azy any ivelany izany sy ireo fandaniana isan-tsokajiny izany ho an’ny vary nafarana. Izany no atao dia hiadiana amin’ny mety ho fanararaotana.
Momba ny vary vokatra eto an-toerana dia efa nambaran’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny tsy maintsy hiarovana ny tantsaha ary tsy ampidirana fatiantoka izy ireo.
Fantaro ny vidim-bary any amin’ny faritra samihafa tato anatin’ny telo andro, nanomboka ny Alatsinainy 12 Febroary 2024.

Chargeur En cours de chargement…
Logo EAD Cela prend trop de temps ?

Recharger Recharger le document
| Ouvert Ouvrir dans un nouvel onglet

Vous aimerez aussi...