Famatsiana eto an-drenivohitra: Mitombo hatrany ireo mpanjifa misitraka ny Vary Tsinjo sy Siramamy Tsinjo

Ny fokotany Tanjombato, Andoharanofotsy, Ankazomanga ary 67ha no nanaovan’ny DRICC Analamanga fanaraha-maso momba ny fanaparitahana sy fivarotana ny Vary Tsinjo sy Siramamy Tsinjo omaly Talata 24 Janoary 2023. Mpivarotra 23 no nanaterana Vary Tsinjo ka 56 kitapo no lafo. 4 kosa ireo naka Siramamy Tsinjo ka 4 kitapo no lafo tamin’izany.

Mifarimbona amin’ny fanaraha-maso ny fitsinjarana ny Vary Tsinjo sy Siramamy Tsinjo moa ny Foibem-pitondrana momba ny Varotra Anatiny (DCI), ny Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny Mpanjifa (DPC), ary ny Fitaleavam-paritra (DRICC) Analamanga.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...