Famatsiana ny faritra traboina: tsy afaka hiandry ny fahavitàn’ny lalana tapaka ny fitaterana ny Vary Tsinjo

Tsy maintsy nandray fepetra haingana ny tompon’andraikitra hamahàna ny olana vokatry ny fahatapahan’ny lalana. Nafindra amin’ny fiara Sprinter ireo Vary Tsinjo niala teto Antananarivo omaly hoentina any Fianarantsoa ary hamatsiana ny faritra tra-boina toa an’i Manakara, Mananjary ary Farafangana. Fiara Sprinter miisa 11 no nahetsika nandray ny Vary Tsinjo 75 taonina sy Vatsy Tsinjo 30 taonina teo Vohiposa, toerana nanaovana ny “transbordement”, noho ny fihotsahan’ny lalana.
Any an-toerana moa amin’izao fotoana izao ireo tompon’andraikitra avy amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana izay tarihin’ny Tale Jeneralin’ny Varotra sy ny Fanjifana, Naina Randriamananjara. “Ampy ny vary. Lasa ny any Ambalavao…Ho avy tsy ho ela ny Vary Mora ho an’ny any Farafangana”, hoy izy androany tao Fianarantsoa.
Tao amin’ny renivohitry ny Faritra Matsiatra Ambony izay nisitrahan’ny mponina ny Vary Tsinjo amidy 600ariary ny kapoaka. Nisy koa ny fanomezana maimaimpoana Vatsy Tsinjo izay ahitana Vary Tsinjo 25kilao sy entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro hafa ihany koa, avy amin’ny Filoham-pirenena.
Sambany tamin’ity taona ity no tsy nisy fahatapahany ny famatsiana taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza mahery vaika toa an’i Batsirai.

Vous aimerez aussi...