Famatsiana PPN: Nidina ny vidin’ny menaka sy lafarinina

Raha novidiana 168.000Ar ny lasakan’ny lafarinina teo aloha dia 150.000Ar izany amin’izao fotoana izao eny amin’ny mpamokatra sy mpanafatra entana. Nisy filatsahany toy izany koa ny vidin’ny menaka. Nidina ifotony teny amin’ny tsena ihany koa androany ny mpanara-maso ny varotra nijery ireo mpamongady amin’ny fanarahana izany fidinan’ny vidin’ny menaka sy lafarina izany.
Tsapa fa efa midina tsikelikely koa ny vidin’entan’izy ireo. Ao anatin’ny fifampiresahana hatrany amin’ireo mpanafatra entana sy ny mpamokatra eto an-toerana ny Ministera mba hitsinjovana ny mpanjifa.
Sary DCI

Vous aimerez aussi...