Famatsiana: Siramamy Namakia amin’ny vidiny 2750Ar ny kilao

Tsinjaraina eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina ny siramamy Namakia amin’ny vidiny 2750Ar nanomboka omaly 25 Avrily 2022. Fiaraha-miasan’ny MICC sy ny SPM no nahatongavana amin’izao dingana izao mba ho fitsinjovana hatrany ny mpanjifa amin’ny entana ilainy amin’ny fiainana andavanandro. Nanara-maso akaiky ny fitsinjarana ireo siramamy ireo teny amin’ny mpivarotra ny Talen’ny Varotra Anatiny eto amin’ny MICC.
Sary DCI

Vous aimerez aussi...