FAMATSIANA: tonga any Menabe ny Vary Tsinjo, hisokatra ny Tsena Mora any Analanjirofo

👉Menabe : Vary Tsinjo 97,5 taonina hamatsiana ny mponina. Efa tonga ao Morondava ny ampahany amin’izany Vary Tsinjo izany. Omaly ihany koa nisy 32 taonina tonga tao Miandrivazo. Amidy amin’ny vidiny 600ariary hatrany ny kapoaka ary 2100ariary ny kilao.

👉Analanjirofo : Vinavinaina hisokatra amin’ny alakamisy 10 febroary ho avy izao ny Tsena Mora ao amin’ny Faritra Analanjirofo. Araka ny fivorian’ny mpandrindra ity tsenam-bahoaka ity izay nandraisan’ny DRICC anjara, 120 taonina isam-bolana no anjaran’ny Faritra Analanjirofo. Marihina fa Vary Tsinjo 30 taonina no efa tonga ao Fenoarivo Atsinanana amin’izao fotoana izao.

Vous aimerez aussi...