FAMATSIANA: Tonga eto amin’ny renivohitra ny Vary Tsinjo 1000T

Manatanteraka ny fanamby amin’ny tsy hahatapahan’ny famatsiana ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro, noho ny toetr’andro ratsy tato ho ato, ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana.
Vary Tsinjo 1000 taonina avy any Toliary no tonga androany 26 Janoary 2022 teny amin’ny Fasan’ny Karana hamatsiana ny eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Nandray izany teny an-toerana ny ministra Edgard Razafindravahy sy ny mpiara-miasa aminy no sady nitsidika ny toeram-panatobiana izay mahazaka vary hatrany amin’ny 5000T.
Nanamafy ny Minisitra fa tsy tokony hiahiahy amin’ny mety ho tsy fahampian’ny tahiry ny mponina. Vary 25000T no nigadona tao Toamasina tsy ela akory izay. Nambarany fa izao fahavitan’ny Tetezam-by (any amin’ny Lalam-pirenena faha-2) izao dia hahafahana mampiakatra haingana ny entana eto Antananarivo sy ny manodidina ary any amin’ny faritra hafa.

Vous aimerez aussi...