Famatsiana vary tsinjo sy siramamy: Nisitraka ny famatsiana ny Vary Tsinjo sy ny Siramamy hiarahan’ny MICC sy SPM ireo tsenakely teny Namontana, Angarangarana sy Andohatapenaka
Efa mitombaka manerana ny tsenakely na ny mpaninjara ny Vary Tsinjo sy ny Siramamy entina hanampiana ny mpanjifa. Hiarahan’ny MICC miasa amin’ny orinasa SPM izany famatsiana tsy tapaka izany. Mitsinjara toy izao avy ny famatsiana nataon’ny ekipan’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny Mpanjifa (DPC) ka ho an’ny fokontany Namontana dia Vary 16 lasaka sy siramamy 4 lasaka, ny fokontany Angarangarana vary 5 lasaka ary ny fokontany Andohatapenaka vary 69 lasaka kosa.
Tsy mitsahatra ihany koa etsy andaniny ny fanentanana ireo mpivarotra mikasika ny fametrahana ireo vidin’entana sy ny fitondrana ireo fitaovam-pandanjana ampiasana eny anivon’ny sampan-draharaha misahana izany na ny SML izany.
Sary DPC